Vakiteny voalohany
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 26, 11-16. 24)
Ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny ireo.
Tamin’izany andro izany,
hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin’ireo loholona sy ny vahoaka rehetra:
“Mendrika hovonoina ity lehilahy ity, fa naminany loza hanjò ity tanàna ity,
araka ny efa ren’ny sofinareo.”
Fa niteny tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe:
“Ny Tompo no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo,
hamelezana ity trano ity.
Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo;
ary mihainoa ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo,
dia hanenenan’ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo.
Ary ny amiko, dia intý aho, eto an-tananareo,
ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo,
dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity,
ary amin’ny mponina eo aminy,
satria ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo
hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.”
Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra,
tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany:
“Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity,
satria tamin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.”
Ary ny tanan’i Ahikama zanak’i Safana dia nanohana an’i Jeremia.
Ka tsy natolotry ny vahoaka hovonoin-ko faty izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 68, 15-16. 30-31. 33-34
Mivavaka aminao aho, ry Tompo.
Afaho amin’ny fotaka aho tsy ho difotra,
fa ho afaka amin’ny firohon’ny rano lalina;
tsy ho safotry ny onja na hatelin’ny hantsana,
tsy hanakombonan’ny fasana ny vavany.
Fa izaho ilay ory sy nijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra,
ny babo tsy hainy hamavoina.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Naniraka hampanapaka ny lohan’i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin’i Jesoa ny mpianany.
Tamin’izany andro izany,
ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa, ka hoy izy tamin’ny mpanompony:
“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.”
Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady io ianao.”
Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:
“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”
Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.