• Nahazo “Recteur Majeur” vaovao ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. I Mompera Fabio Attard no nanankinana izany andraikitra izany nandritra ny fifidianana natao tao anatin'ny “Chapitre Général faha-29”... • Terena hampiasa kaontera aloa mialoha ny Kaominina Imerintsiatosika. Nisy ny iraky ny JIRAMA tsy mitondra taratasy fampahafantarana mirakitra izany tonga teny an-toerana, hoy ny Ben'ny Tanana Parisoa Andriambololonarivo... • Nivory androany ny Fikambanan'ny Zanak'i Sakalava sy ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Serasera. Tapaka nandritra izany fa halamina rahampitso ny toerana hametrahana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera...
I Mompera Fabio Attard no voafidy ho dimbin’i Don Bosco faha-11, amin’ny fitantanana ny Fikambanana Salezianina maneran-tany. Izy no heverin’ireo mpifidy miisa 220 tao amin’ny “Chapitre Général” fa manana ny fihiziana salezianina araka ny vanim-potoana ankehitriny. Fikambanana izay misy relijiozy miisa 13.750, miasa amin’ny provinsy 92, amin’ny kaontinanta dimy.
• Mbola tsy afa-doza ny lemak'Antananarivo amin'ny fiakaran'ny rano. Mbola mihatra ny filazana loza fampitandremana amin'ireo toerana lalovan'ny renirano Sisaony, hoy ny filazana avy amin'ny APIPA, androany maraina... • Lsa fiarovana tombontsoa miafara amin'ny fifofoana aina ny fanaovana politika eto Mdagasikara, hoy ny antoko VHT, manoloana ny tranga nisy tato ho ato... • Namoahan'ny Kaominina didy ny fifehezana ny vidim-bary any amin'ny Kaominina Amboasary Gara, Moramanga. Nampitandrina ireo mpivarotra manararaotra ny Ben'ny Tanana any an-toerana...
• Resin'i Ghana ny Barean'i Madagasikara alina, anatin'ny lalao fifanintsanana Mondial 2026. Mbola laharana faharoa vonjimaika ao amin'ny Vondrona I isika, na eo aza izany... • Olona telo no maty, vokatry ny fiavian'ny oram-be niteraka tondra-drano teto Antananarivo, ny faran'ny herinandro teo. Mahatratra 9.761 ny isan'ny traboina, araka ny tatitra avy amin'ny BNGRC... • Mbola miato ny fampianarana eny amin'ny CISCO Atsimondrano ho an'ny anio amin'ny ZAP maromaro, noho ny mbola fiakaran'ny rano. Toa izany koa ho an'ny ZAP sy ny sekoly maromaro ho an'ny CISCO Ambohidratrimo...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco