Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 6, 1-8)
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo,
nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina,
ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.
Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany manana elatra enina avy:
ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.
Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe:
“Masina, masina ny Tompon’ny tafika!
feno ny voninahiny ny tany rehetra.”
Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy
ary tonga feno setroka ny trano.
Ka hoy aho tamin’izay:
“Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra;
ary ny firenena itoerako maloto molotra;
nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, ny Tompon’ny tafika!”
Kanjo, nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo Serafima,
nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.
Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy:
“Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao;
ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.”
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe:
“Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho any?”
Ka hoy aho:
“Inty aho, iraho aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 92, 1ab. 1d-2. 5
Andriana manjaka Ianao, ry Tompo;
mitafy ny hery tsy hay tohaina.
Ny zava-drehetra harin-tananao,
tomombana fatratra tsy mivena.
Mirafitra mafy ny rovanao.
Fa manda miorina tsy mikoro.
Hatrany amboalohany, teo ianao;
ho mandrakizay re tsy hanam-petra.
Ireo Teny rehetra voalazanao.
E! lalina, marina, tsy mivaona.
Ny fahamasinana feno haja
manerana izany fonenanao.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny hoe mahatarika dia ianao mahay miara-miaina aman'olona, izay olona samy manana ny maha-izy azy ; tsy ianao no mibaiko sy manery ny hafa fa misy toetra mahatarika ny olona, izay voajanahary ao aminao, mifototra amin'ny fifampatokisana. Ny mitondra dia manana tanjona tiana tratrarina, ary ampitainy amin'ny ireo olona entina, izany hoe tompon'andraikitra tanteraka amin'ny fahatratrana ny tanjona sy ahazoana vokatra, mifotra amin'ny baiko sy lalàna, azo adika hoe fahefana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora... ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...
Ny zava-dehibe dia i Abrahama natoky ny tenin'ny Tompo, ka teraka teo ny fomba fiheverana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Tonga olon'Andriamanitra izy ary ireo finoana lehibe telo : Jody, Kristiana ary ny Silamo dia samy manaiky azy. Ny mivavaka dia miasa amim-panantenana fa tsy miasa fahatany na hoe efa mivavaka ka mila miasa indray ve? Maro ireo olona kivy rehefa tsy mahazo valim-bavaka. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco