16 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka,
dia niditra tao Kafarnaôma.
Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty.
Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny,
dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy
ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny.
Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo,
dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe:
“Mendrika hanaovanao izany izy,
fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”
Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa.
Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy
dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe:
“Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re,
fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho;
ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory,
fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko.
Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa,
ka ny anankiray ilazako hoe: ‘Mandehana’, dia mandeha;
ny anankiray ataoko hoe: ‘Avia’, dia avy;
ary ny mpanompoko koa hoe: ‘Ataovy izany’, dia manao izy.”
Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho,
na dia tamin’i Israely aza.”
Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka,
dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.