18 jolay 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)
♦ Asa andrasana amin'ny Governemanta vaovao hijoro eo, ny famaritana ny datim-pifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsain'ny Tanàna... ♦ Manana fotoana hatramin'ny alatsinainy 22 jolay 2024, ireo nisoratra anarana amin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitra vonjy maika... ♦ Hanamafy ny fiarovana ny Zandarimariam-pirenena mandrita ny fotoam-pialantsasatra...
♦ Dimy andro mialoha ny fanadinam-panjakàna bakalôrea : Maro amin'ireo tanora hiatrika ny fanadinana no mbola manenjika ireny karazana hetsika fara-doboka ireny... ♦ Manomboka miha maro ireo olona miazo ny Faritra mandeha miala sasatra, mahalasa fiara 170 isan'andro izao ny eny amin'ny toby fiantsonan'ny fiara Makis Andohatapenaka ka i Mahajanga no maro mpandeha... ♦ Nisokatra ny alatsinainy 15 jolay lasa teo ny taom-piotazana "la vanille" maitso ho an'ny Faritra Fitovinany sy Atsimo-Atsinanana, tsy nisy ny fameram-bidy fa miankina amin'ny tolotra sy ny tinady eo amin'ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra izany... ♦ Hisokatra ny 29 jolay ny fametrahana ny firotsahan-kofidiana filoham-pirenena any Tunisie...
Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco