♦ Fifanitsahana andraikitra eo amin'ny samy mpanatanteraka no antony mampitarazoka ny fananganana ny Governemanta, hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Sakana isan'ny tsy mampandroso ny kaominina ambanivohitra ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitry ny vahoaka eny ifotony sy ny tsy fandoavan-ketra... ♦ Hanaovana ezaka manokana ao amin'ny Distrikan'i Farafangana ny lafiny fandrim-pahalemana, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...
♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...
Araka ny voalaza ao amin'i Lioka 3, 21 : tamin'ilay natao Batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra. Araka ny voalaza ao amin'i Matio 14, 23 : ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka noho ny alina ny andro dia Izy irery no teo... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
21 aogositra 2024 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco