Miara-mivavaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra mpanota i Jesoa Kristy. Tsy irery akory isika rehefa mivavaka hoy ny Papa François fa miaraka mivavaka amintsika mandrakariva i Jesoa Kristy, ary izay no maha-olon'ny vavaka azy. Manamafy izany ny famantaran'ny hazofijaliana ataontsika isaky ny hanomboka vavaka miantso an'Andriamanitra Trinite Masina mba hiaraka hivavaka amintsika... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

26 aogositra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 9-15)

Noana izahay, mangetaheta, tsy manan-kotafiana.

Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay,
dia hoatra ny nasehon’Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty,
natao fizàhan’izao tontolo izao, na anjely, na olombelona.
Izahay moa, adala noho ny amin’i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin’i Kristy!
Izahay osa, fa ianareo no matanjaka;
izahay faneso, ianareo kosa fanaja.
Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy,
fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin’ny tananay.
Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka;
mova tsy izahay iny no fakon’izao tontolo izao,
sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao.
Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an’izany,
fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako.
Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin’i Kristy,
dia tsy maro ray ianareo,
fa izaho ihany no niteraka anareo tamin’ny Evanjely ao amin’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 17-18. 19-20. 21

Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy.

Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.

Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy;
henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo!
Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy
ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!

Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay, mandrakizay!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?

Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:

“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”

Sady nampiany hoe:

“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 4, 1-5)

Haneho ny fanirian’ny fo Andriamanitra.

Ry kristianina havana, aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay,
sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra.
Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra.
Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain’ny andron’ny olona;
fa na izaho aza tsy mitsara tena.
Satria tsy hitako izay tsiniko nefa tsy mahamarina ahy izany,
fa ny Tompo no mpitsara ahy.
Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo;
fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina,
ka hampiseho ny hevitry ny fo,
ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrifin’azy tsirairay avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 36, 3-4. 5-6. 27-28. 39-40

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo, manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao;
miantehera aminy: fa Izy no hanao;
ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana;
ny fahamarinanao ho mitataovovonana.

Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.

Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo;
fa Izy no màndany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)

Rahefa esorina teo aminy ny mpampakatra: amin’izay vao hifady hanina izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe:

“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava,
fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?”

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra,
raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra?
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.”

Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe:

“Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao,
fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao.
Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa,
fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina;
fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa.
Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao,
satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...