♦ Olan'ny antoko politika eto Madagasikara hoy ny Humaniste Ecologiste ny tsy fisian'ny tanora manana traik'efa handimby ireo zoky teo aloha. Hita taratra amin'ny fifidianana ben'ny Tanàna eto Madagasikara... ♦ Misy ny ezaka ataon'ny tompon'andraikitra misahana ny fifidianana mampandray anjara ny olona manana fahasembanana saingy mbola mila hamafisina misimisy kokoa izany hoy ny Safidy. Namoaka ny fanadihadiana momba izany moa ity Sampana anaraha-maso ny fifidianana ity... ♦ Manomboka manatanteraka ny tetik'asa fandraharahana ho an'ny tanora Andriamatoa Ny Rado Rafalimanana sy ny ekipa mpiara-miasa aminy. Namory an'ireo mpisehatra amin'ny BTP izy omaly...

Ny fankahalana dia miteraka fahapotehana tanteraka.  Ny olom-banona dia olona mitondra vokatra tsara ho an'ny ankohonany, fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Mila mandini-tena ny tsirairay : mitondra filamenana ve izy tenany? manao ahoana ny fomba amam-panaony? Ny tsy fanajana fitsipika manimba ezaka maro. Ny fandrosoana na fahantrana dia tsy anjara na vintana fa safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Midina ifotony mijery ny fizotran'ireo tetik'asa vatsiany vola ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania sy Vakinakaratra ny JICA. Nisantarana izany omaly ny tao amin'ny ivon-toerana Ambatonitaiva Ivony ao Ambositra... ♦ Fanambin'ny kaominina Antananarivo renivohitra ny hampitombo ny isan'ny pôlisy monisipaly ao aminy ho 1.800 afaka 10 taona. Ny polisy monisipaly izay mankalaza ny faha-25 taonany amin'izao fotoana izao... ♦ Miantso ny Fanjakàna hanao ny fomba rehetra hampiato ny fandefasana teratany malagasy ambara fa hiasa any Dubai, Andriamatoa Ny Rado Rafalimanana. Misedra olana mantsy ny ankamaroan'ireo tonga any...

Anisan'ny nampiavaka an'i Masina Maria ny fiaraha-mivavaka amin'ny hafa. Tsy nisaraka tamin'Andriamanitra sy i Jesoa ny fiainany manontolo, hatrany ampihandohana, ny nahafatesana sy ny nitsanganany ho velona ; ary dia mitohy miaraka tamin'ireo Apôstôly sy ireo kristiana tany amboalohany. Noho ny asan'ny Fanahy Masina dia tonga Renin'Andriamanitra i Masina Maria... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...