Ny fandraisana fanapahan-kevitra dia anisan’ny dingana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray, indrindra ny tanora. Noho izany, tsara ny mamantatra ireo dingana rehetra mba afahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra matotra sy voalanjalanja. Satria noho ny zava-misy dia maro ny mandray fanapahan-kevitra ao anaty korontana, toy ny disadisa, alahelo, na hafaliana be loatra. Izany matetika dia miteraka nenina ary mety hanakorontana na hanimba ny ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

♦ Nahatsiaro sy nitsodrano ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny Sinaodin'ny Eveka tanterahana any Roma... ♦ Mbola tsy manome sehatra ny vehivavy ny antoko pôlitika, hoy ny CNFM. Zara mantsy raha misy 6%-n'ireo kandidà Ben'ny Tanàna no vehivavy... ♦ Nitondra valin-teny fohy momba ny valin-kafatra nentin'i Comores manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fanjakana malagasy ho fisorohana ny fihanaky ny valan'aretina Choléra, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Rasata Rafaravavitafika...

Ny kristiana dia izay matoky ny fitiavana lavorarin'ny Rainy, ka miaina ny maha zanaka taha-dRay azy, eny fa na dia amin'ny fomba mbola tsy lavorary loatra aza. Fanomezana maimaimpoana ho an'ny mahantra ny fanjakàn'ny lanitra ka izay mieboebo ho manana ny ampy, fa tsy miantehitra amin'ny lovan'ny Ray dia handova ihany, fa tsy ho amin'ny fiainana mandrakizay...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

25 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...