Tahaka ilay toetra ao amin'ny fanoharana izay tsy maintsy mitsena vahiny tonga tsy nampoizina, mandeha mandondona ny tranon'ny namany amin'ny misasakalina ary mangataka mofo. Namaly ilay namany hoe "Tsia!" satria efa eo am-pandriana izy, nefa miziriziry mandra-panery azy hitsangana hanome azy ny mofo, io ilay toetra manao fangatahana maharitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
15 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco