25 taona nilofosana tamin'ny fampivoarana sy ny fampandrosoana ny teny ambanivohitra ny mpikambana ao amin'ny KOLOHARENA. Ny fikambanana KOLOHARENA izay fantatra tamin'ny fanapariahana ny famokarana miaro ny tontolo iainana. Nivohy sy nanaparitaka ilay vary atao hoe "DISTA" teto Madagasikara ihany koa.

Efa nanondrana ny varin'i DISTA tany ivelany tamin'ny alalan'ny kaoperativa Volamiharina ny KOLOHARENA. Ny voalohany 25 taonina ry ny faharoa 50 taonina ka tany Colorado Etazonia no nanondranana ny vokatra. Ega nandray ny vokatr'izy ireo ko any tany Italie.

Miova manaraka ny toetr'andro ny fampiasana ireo karazanà masomboly vary any amin'ny Faritra Alaotra noho ny fiovan'ny toetr'andro sy ny pôlitika famokarana eto amin'ny firenena hoy ny filoha nasiônaly, Jules Randrianarivelo. Efa miroso amin'ny fampiasana masomboly vary tohy tsingerina ny tantsaha ao Alaotra noho ny fahataran'ny rotsak'orana tato ho ato. Ity karazam-bary ity no entina anonerana ny fahabangana noho ny lafiny toetr'andro ary tsara ny vokatra rehefa voahaja ny fepetra ara-pamokarana.

Mbola mibahan-toerana nefa ny famokarana ny vary makalioka. Mifaninana aminy koa ny varin'i DISTA. Misy antony ny fampiasan'ny tantsaha ao amin'ny Faritra Alaotra ny masomboly makalioka amin'ny voly vary hoy Andriamatoa Randrianarivelo Jules.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...