♦ Mitaky ny hanemorana ny fametrahana ny volavolan-dalana momba ny tany manana sata manokana eny amin'ireo andrim-panjakana manao lalana mandritra izao fivoriana ara-potoana voalohany izao ireo firaisamonim-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa fa ny Oniversite no afaka manome ny antony mazava amin'ny tsy mbola nahazoan'ny mpianatra ny vatsim-pianarana...

Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.

Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.

♦ Tafakatra 656 ny mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 44 ny tranga vaovao hita omaly... ♦ Mitaky ny hamoahana ny valin'ny fitikiana natao tany Vangaindrano ny solontenan'ny ray aman-dreny avy any an-toerana, Andriamatoa Cyril Rasambozafy... ♦ Vao mainka hiteraka olana ho an'ny mpanjifa ny fepetra vaovao nampiharin'ny Jirama amin'ny fomba fanefana ny jiro sy ny rano ankehitriny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...