25 marsa 2024 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)
Diso ny fiheverana fa ny fanalan-jaza no antoka hasalama ny vehivavy iray mitondra vohoka lazaina fa tsy salama ; tsy vokatry ny fisian'ny zaza ao an-kibon-dreny ny tsy fahasalaman'ny vehivavy mitondra vohoka fa avy amin'ny aretina hafa. Maro anefa ny reny no sahy manao sorona ny any ho an'ny zanany, aleony izy no maty toy izay ilay zaza entiny ao am-bohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
24 marsa 2024 — Alahady Sampankazo — Fahatsiarovana ny nidiran'i Jesoa tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka (Mk. 14, 1 — 15, 47)
Tsy anisan'ny fandrindram-piterahana velively ny fanalana zaza satria tsy fisakanana ny fitsaihana fa famonoana ny tsaika mihitsy na mamotika ny tranon-jaza mba tsy hipetrahan'ny tsaika intsony na mamongotra ny zaza ivelan'ny tranon-jaza. Na misy fahasamponana aza ny zaza ao am-bohoka dia tsy mendrika ny halana satria aina. Tsy voatery ho marina avokoa ny vokatry ny fitiliana rehetra ka aoka ho tandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...
Alahady fahadimy amin'ny karemy : Te hihavana amintsika Andriamanitra ; raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko. Miantefa amintsika Kristiana ankehitriny ny fanirian'Andriamanitra, te ho Andriamanitsika Andriamanitra. Mila mandini-tena isika ka mametraka fanontaniana hoe : efa mifanaraka amin'ny antson'Andriamanitra ve ny atao rehetra, ekeko ve ny fitantanan'i Kristy, mitombo ve ny fifandraisako amin'Andriamanitra?. Ny famonjena dia tsy natao ho an'ny Jody irery fa ho an'ny firenena rehetra. Ny fitiavana sy ny fanoloratena dia mety hitondra fijaliana sy fahafatesana, izay mitia na tiavina dia mahatsapa sambatra sy faly, izany no maha voambary nafafy antsika, maty vao velona...
Ny atao hoe manala zaza : fampitsaharana ny vohoka tsy hitohy amin'ny alalan'ny famonoana ny tsaika na famoahana azy tao am-bohoka alohan'ny fotoana ivelomany ety ivelany. Misy endrika samihafa ny fanalan-jaza : afa-jaza tsinahy, vokatry ny tsy napoizina ohatra nianjera, misy iniana hesorina... Hevi-diso ny fiheverana hoe anisan'ny fandrindram-piterahana ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Tokony hamakafaka fatratra sy handalina amin'ny alalan'ny mpitsabo na hitady olona manam-pahaizana mikasika ny fanabeazana ny rehetra fa tsy hianona fotsiny amin'ny honohono na toro-hevitra avy amin'ny namana satria sarobidy ny aina sy ny fahasalamana. Ny fametavetàna dia fahadisoana, anefa ny fanalan-jaza ihany ko adia fahadisoana faharoa, koa ao samy hitandrin-tena ny rehetra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Maro ny mihevitra fa tsy olombelona manan'aina ny tsaika satria kely dia kely eo am-piandohana ary tsy mbola hita mivantana, mazava tsara ny taova, ny endrika rehetra mandrafitra azy ho manana endrika olombelona ary tsy afaka miaina irery ivelan'ny tenan'ny reniny izy. Ny fanambarana ny zon'ny ankizy tamin'ny 20 novambra 1959 sy ny 20 novambra 1989 dia mankatoa ny zon'ny zaza aloha sy aorian'ny fahaterahany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Ny fitsaihana sy ny fiheverana fa tsy mbola ain'olombelona ny tsaika raha tsy mipetraka ao amin'ny tranon-jaza dia hevi-diso. Tsara ho fantatry ny rehetra fa raha vao misy firaisana ara-nofo fotsiny eo amin'ny fotoana mahavaky tsiry ny vehivavy ka tafakambana amin'ny tsirinaina vavy iray ny tsirinaina lahy iray dia manomboka eo no fiforonan'ny ain'olombelona, tena azo antoka io, noho izany dia olombelona tena manana aina ny tsaika. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Manan-danja ny fahasalaman'ny reny mitondra vohoka, filaminan-tsaina satria izany no antoka lehibe amin'ny fahavelomana sy fitombon'ny zaza araka ny tokony ho izy ao ankibo. Voaantso manokana hiandraikitra ny fitohizan'ny aina ny Reny rehetra, adidiny noho izany ny mikajy sy mikolokolo ny aina entina eo am-bohoka, izy ireo dia mpiara-miasa amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Ny fitsaihana no fotoana manan-danja indrindra eo amin'ny fiainan'ny olombelona satria amin'io fotoana io no manomboka ny fiainan'ny olona iray. Voafaritra amin'io fotoana io ilay zaza miforona miaraka amin'ireo toetra rehetra maha olombelona, ny maha izy azy feno : saina, fo, fanahy... Mitoe-jaza ny vehivavy iray raha toa ka tsy miverina ny fadim-bolana, miakatra tsy toy ny mahazatra ny hafanana. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco