I Masimbavy Martine no tsaroana rehefa 30 janoary. Teraka tao Roma avy amin'ny fianakaviana fanta-daza i Martine. Intelo ny rainy no "Consul" ary niavaka tamin'ny finoana velona sy ny fitiavana mivaivay nananany. Rehefa maty io rainy io dia namidin'i Martine avokoa ireo fananany ary ny vola azony dia nentiny nanaovana asa fitiava-namana sy famindram-po ho an'ireo mahantra.

I Masindahy Gildas no tsaroana ny 29 janoary. Zanak'andriana tao Grande-Bretagne i Gildas. Teraka tao Écosse tokony ho tamin'ny faramparan'ny taonjato fahadimy. Taona niadian'ireo Bretons lasa romanina tamin'ireo Saxons mpandroba moa io taona io.

I Masindahy Thomas d'Aquin no tsaroana ny 28 janoary. Fianakaviana normande sy germanique no nipoiran'i Thomas. Teraka tokony ho tamin'ny faraparan'ny taona 1224 izy. I Landulph, Comte d'Aquin no rainy ary i Théodora no reniny, taranaka mpanjaka normand ihany koa.

Alahady faha-2 fiavian’ny tompo — taona D : matokia, mifalia fa mpamonjy andriamanitra ; Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra. Ny fitorian'ny Joany ny Batemy dia amin'ny feo avo, i Joany dia ilay feo avy any anefitra, ako re avy any anefitra, ny ako dia avy amin'ny teny, ary ny teny dia i Kristy hiseho nofo aman-dra, io no manambara fa mpialoha lalana an'i Mesia i Joany. Ny endriky ny Batemy fibebahana dia izay nambaran'i Joany hoe : amboary ny lalan'ny Tompo. Miha tany efitra ny fiainantsika noho ny tsy fahampian'ny Vavaka sy ny fanadinoina an'Andriamanitra...

Alahady voalohany fiavian’ny tompo – taona D : ho avy i kristy amin’ny farandro ; Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao. Miditra amin'ny fotoanan'ny fiaviana isika izay fotoana mialoha ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, izany hoe afaka herinandro efatra. Mampalahelo fa ny fiverenan'i Jesoa kristy dia ampifandraisintsika amin'ny loza hitranga amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, ny voalazan'ny Evanjely anefa nambara mba hankahery antsika sy hampifoha. Jesoa ilay ho avy no fahazavana lehibe, anefa tsy maintsy mivonona isika, amim-bavaka sy amim-pinoana...

Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...

Alahady faha-33 mandavantaona — B : Hiverina i kristy amin’ny farandro ; Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Nankahery ireo mpiara-belona taminy i Daniel. I Misely filohan'ny anjely mpandresy ny demony dia hiambina sy hiaro ny mpino ampahoriana, na eo aza ireo mpankahala ny fivavahana ; handresy ireo vesaram-pahoriana. Ankehitriny dia misy ireo milaza fa tsy misy Andriamanitra, ny fahafantarana ny fiverenan'i Kristy dia tokony hampitombo ny fanantenantsika...

Alahady faha-32 mandavantaona — b : izay tia, mahafoy ; misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Ny mpitondra tena dia ireo vehivavy niangaran'ny vintana fa sady mamalona ny tenany no mamelona ny zanany satria tsy eo intsony ny raim-pianakaviana, ka izay foin'ny olona no hivelomany. Ireny sokajin'olona ireny dia manao asa mitondra aina, miasa mangina. Mety ho kely eo amin'ny fiaraha-monina ny zava-bitan'ireny olona ireny fa lehibe eo anatrehan'Andriamanitra satria manolotra amim-pitiavana sy azo ambara fa ny fiainany manontolo no omeny. Ny hoe "lazaiko marina" dia avy amin'ny teny hoe "AMEN". Ny fampianaran'i Jesoa dia marina tsy azo doifina.

Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...

Alahady faha-30 mandavantaona — B : mpanelanelana sy mpanasitrana mahay miantra i jesoa kristy ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Nanova ny fon'ny olona i Jesoa, ary ny finoana no tena mahasitrana. Jamba ara-panahy isika ka mila mpanasitrana, matevina loatra ny sarona mandrakotra ny fahitana anaty manazava antsika. Saritsarin'Andriamanitra no fahazoantsika an'Andriamanitra izay zary sakana tsy hanompoantsika an'Andriamanitra marina amin'ny fo faly. Ny tena finoana no tena hery mampitsangana hitsena an'i Kristy sy hiara-hiasa amin'ny hafa, tsy olona mibahan-toerana, tsy tia tena fa manao ho zava-dehibe ny antson'Andriamanitra...

Alahady faha-29 mandavantaona - B : Ny fijaliana : Azo ampiasaina ho fanavontana ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Rehefa atolotra hosoro-pifonana ny fijaliana dia tonga ho famonjena, raha entina miverina amin'Andriamanitra ny fijaliana ary matoky azy dia mody hasambarana ireny. Ny fijaliana dia azo ampiasaina ho fanavontana, ary mitondra famonjena ho an'ny hafa sy ny olona maro. Toa an'i Kristy dia afaka mitondra famonjena ho an'ny hafa ihany koa isika na ao anaty fijaliana aza...

Alahady faha-28 mandavantaona - B : Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-dranitra ny harena ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia tsy miara-teraka amin'ny olona, fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny, ka omeny izay rehetra mangataka aminy, indrindra ireo miraikipo aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia mifanohitra amin'ny havonavona sy ny fiheboheboina, ny fitiavan-tena sy ny fifikirana amin'ny harenin-tany. Ny toetra manokan'ny fahendrena dia izy mandrakizay izay tsy mety maty...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...