Alahady faha-27 mandavantaona - B : fianakaviana iray ny olombelona ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. ...
Alahady faha-26 mandavantaona - B : Iza avy no tena an'i Kristy ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny vahoaka rehetra no tokony ho mpaminany, mitondra ny tenin'Andriamanitra. Raha tsy isika fa olon-kafa no mahita hevitra hampandrosoana ny fiangonana, mialona ve isika sa sambatra? Aoka tsy ny tombontsoa no hibahana amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny fampandrosoana ny finoana. Tsy ny vola aman-karena no miantoka ny fahasambarana marina ; ilaina ny vola fa atao hanampy izy ireny fa tsy tanjona izay mety hatakona ny hafa sy Andriamanitra. Azo atao ny mampiasa ny harena hanompoana ny hafa, ary mitondra amin'ny fahasambarana marina...
Alahady faha-25 mandavantaona - B : Ny fialonana mandrava fitiavana, ny fanetren-tena ahavitana soa ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ny boky ny Fahendrena dia mitondra fampianarana mba hijoro hatrany amin'ny maha mpivavaka na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana maro. Misy fiavahana ny fisainana sy ny fomba fiainan'ny mpino sy ny tsy mpino : manelingelina ny tsy mpino ny fitondran-tena sy ny fiainan'ireo mpino, tian'iretsy voalohany ho tsapaina sy fongorina. Ny mpino dia mila maneho ny finoana ary mangina manoloana ny fandrabirabiana ary mila mijanona amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra.; mijoro hatrany ary tsy mandao ny marina...
Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...
Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...
Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...
Alahady faha-21 mandavantaona - B : I Kristy fidina, i Kristy tompoina ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ny bokin'i Jôsoe dia mitanisa ny zava-nisy nanamarika ny fidiran'ny vahoaka Israely tao amin'ny tany nampanantenaina. I Jôsoe dia mpitsara izay nampivory ny vahoaka teo amin'ny toerana atao hoe Sikema ; nampanao safidy an'ireo vahoaka i Jôsoe ny amin'izay andriamanitra tiany hotompoina. Tsy nanery ireo vahoaka i Jôsoe fa nanome ohatra izy ary nanambara hoe : Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo. Fakam-panahy ho antsika ny mahita ny maro mandao ny andraikiny, koa aza matahotra ny handeha irery sy hijoro amin'ny finoana...
Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...
Alahady faha-19 mandavantaona — B : Ilàna finoana ny Eokaristia ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Tahaka ny niainan'i Elia nandositra ny hatezeran’i Jezahela, dia ilaina ny finoana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra, tamin'izany izy dia nahazo vatsy nahafahany namakivaky tany an'efitra, 40 andro sy 40 alina ; noho ny hery azony tamin’izany hanina izany, dia niakatra ny tendrombohitr’Andriamanitra izy. Nisalasala tamin'ny tenin'i Jesoa ny Jody, raha nilaza hoe Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra”. Hoy izy ireo: “Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny?. Mitaky finoana ny Eokaristia...
Alahady faha-18 mandavantaona — B : Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Izay manatona an'i Jesoa Kristy, tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Azy tsy hangetaheta. Ny fimonomononana dia toetra andavanandron'ny tanora miala sakana, tsy mety manaiky sy mandray ny zava-misy, tsy mahatsapa izay tsara mahasoa azy, ary mikomy sy midongy amin'ny ray aman-dreny toa ity voalaza amin'ny vakin-teny voalohany ity izay toetran'ny vahoaka nanoloana an'i Môizy. Avy amin'ny teny hebrio "manne - o" izay midika hoe "inona itony" no niavian'ny anaran'io mofo avy any an-danitra io....
Alahady faha-17 mandavantaona — B : Velomin'Andriamanitra amin'ny mofo avy any aminy isika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!. Ny fahagagana nataon'i Jesoa tamin'ny fampitomboana ireo mofo ôrja dimy sy hazandrano roa dia antony roa no nanaovany azy : voalohany, noho ny fahangorahany ny vahoaka nanatona Azy tamim-pitokiana, tsapany ny hanohanana ara-panahy sy ara-batan'ireo vahoaka ; faharoa fampisehoana miarairy ny amin'ny antony nahatongavany teto an-tany. Izay atolotr'Andriamanitra dia ho ampy ny olona, tsy izay mandray no mahazo be fa izay manome...
Alahady faha-16 mandavantaona - B : Andian'ondry eo an-tanan'Andriamanitra isika ; ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika rehetra ho iray. Mazava ny teni'ny Tompo : Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho. Arak'io voalaza io dia mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry. Adidin'ny Fiangonana no mampanjary ireo voalaza ireo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco