Alahady faha-15 mandavantaona : Nofidin'Andriamanitra isika mba ho irahiny ; Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Misy roa ny tanjona amin'ny fiantsoan'Andriamanitra, izay mifampikina : hitoetra eo aminy, hitory sy handroaka demony. Raha tsy malala an'i Jesoa sy tsy manana fiombonana aminy dia tsy ho afaka ny hampalala Azy sy ho lasa iraka ; Mifampitohy ny fiantsoana sy ny fanirahana ary tsy mety ho iraka raha tsy babon'ny fitiavan'i Jesoa...
Na osa aza isika, eo i Kristy ho herintsika ; Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika. Maro ireo tsy mandray an'i Jesoa amin'ny alalan'ireo fitoriana ny Evanjely. Araka izay voalazan'i Md Paoly dia mba manana ny kilemany ihany koa ny mpaminany, ary mijaly amin'ny fomba maro. Fa hoy i Jesoa : “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Koa mila heri-po lehibe ny asa fitoriana ny Evanjely, manana adidy lehibe amin'izany ny Papa Raimasina, sy ireo mpitondra ny Eglizy...
Alahady faha-13 mandavantaona - B : Ny hahavelona antsika no irin'Andriamanitra ; Aleloia, Aleloia, Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Aleloia. Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra no ho fahambonianareo koa amin’ny fahasoavam-piantrana. I Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika...
Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra! Ho an'ny olomarina dia tsy hakasika azy ireny akory ny fahafatesana, ho an'ny tsara dia tsy hakasika azy ny ratsy. Ny fisokafana amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahasoavany no mampandresy ny olona sy mampiadana antsika. Azo oharina amin'ilay sambo kely ny fiainantsika ka ny tafio-drivotra no endrika hisehoan'ireo olana maro samihafa, ka Andriamanitra Ray sy Zanaka sy Fanahy Masina ihany no afaka mampitony izany... Mila matoky azy Andriamanitra isika, ary mitoky amim-pinoana...
Ny voa mitsimoka sy mitombo ho Azy ; Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao. Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy. Ny Fanjakan'ny lanitra dia tsy fanjakan'ny mpanefoefo, na an'ny matanjaka fa fanetretena. Ny ahitana ny Fanjakan'Andriamanitra dia ao anatin'ny olona tsirairay. Miezaha mamolatena sy manova toetra fa izany no fanomanana ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny hoe mamolatena dia ireo vonona manao sesitany ny vatany, izany hoe sahy manambara sy miaina ny Fanjakàn'Andriamanitra, miady amin'ny fanangolen'ny fanahy na ireo mamono ny aina...
Alahady faha-10 tsotra mandavantaona-B : Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra ; efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Isika tsy tokony ho gaga raha ohatra ka tsy hinoan'ny ao an-trano izay lazaina, tahaka izay niainan'i Jesoa. Ny hoe "devoly" dia avy amin'ny teny grika hoe "Diabolos" izay midika hoe "mpampizara" "mpampisaraka" "mpandrava". Tsy manohitra ny Fanahy Masina isika olombelona rehefa manatanteraka ny sitram-pon'ny Ray. Izay rehetra manaon'ny sitram-pon'ny Ray dia tonga fianakavian'i Jesoa, indrindra ireo manaraka ny didin'Andriamanitra...
Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...
Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...
Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
Alahady fahaenina fankalazana ny Paka : Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Miresaka ny "fitiavana" ny vaki-teny telo amin'ity alahady ity : fitiavana Andriamanitra, fitiavana no iainan'ny rehetra (ray, zanaka, mpianatra, samy olombelona). Ny fitiavana ny namana dia mifototra amin'ny fitiavan'i Jesoa antsika olombelona. Andriamanitra no fototry ny fitiavana...
Alahady fahadimy fankalazana ny Paka : Ny tena apôstôly dia matoky, mifankatia ary tsy matahotra ; mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be. Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesoa isika dia ho noana, ary mety hofaty aza. Ny finoana tonga lafatra tamin'ny alalan'ny Batemy no mampiombona ny olona amin'i Jesoa. Ny tokony hataontsika mba hamokatra ny sampam-boaloboka dia ny firaiketana amin'i Jesoa kristy, ary manao ny ezaka mba haneho sy hitory azy eny amin'ny fiaraha-monina. Ezaka tsy maintsy hataon'ny tsirairay : fialana amin'ny fahazaran-dratsy, ny fitiavan-tena, fahotana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco