31 mey — Ny famangian'i Maria an'i Elisabeth dia voatantara ao amin'ny Evanjely nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56. Tsaroana etoana ny fahamaizan'i Maria hiakatra ny tananan'i Juda, hitoetra eo akaikin'i Elisabeth zokiny, izany hoe tanana 6 km andrefan'i Jerosalema.
Alarobia 03 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 18-27 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava, manilo ny maso.
30 mey — Teraka tamin'ny 06 janoary 1412 tao Barrois ao Domrémy i Masimbavy Jeanne d'Arc. Ny 30 mey 1431 izy no nodimandry tao Rouen. Jacques d'Arc sy Isabelle Romée no anaran'ny ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo ka nanan-katao tokoa.
Talata 02 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17 — Izaho no lala sy fahamarinana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
Alatsinainy 01 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 1-12 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Alahady 31 mey 2020 — Alahadin'ny Pantekôty — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 19-23 — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fon'ny mpino ; ary ampireheto ao am-pony ny afon'ny fitiavanao.
29 mey — Teraka tao Silly, Poitou tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo i Maximin. Fanta-daza tao an-tanana ny fianakaviana nipoirany ary nalaza tamin'ny fahamasinana. Hatramin'ny nahaterahany i Maximin dia nahazo fanabeazana mendrika. Mirahalahy izy no voaantso ho mpiandry ondry eo amin'ny Fiangonana.
28 mey — Zanak'olona manan-katao i Masindahy Germain. Tao Autun izy no teraka. Nalaim-panahy ny reniny saika hanala azy tamin'izy mbola tany am-bohoka, ary ny nenitoany tao Avallon, nandritra izy nianatra dia saika hanapoizina azy ihany koa, kanjo ilay zanaky ny nenitoany indray no nahasotro ilay poizina ka nalemy manandram-pahafaty.
Sabotsy 30 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25 — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin'ny Fahamarinana, hoy ny Tompo ; Izy no hitari-dalana anareo amin'ny marina rehetra.
Zoma 29 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr'izao tontolo izao.
Alakamisy 28 mey 2020 — Herinandro fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin'izay itoeran'i Kristy eo ankavanan'Andriamanitra no katsaho.
27 mey — Niaina tamin'ny tapany faharoa amin'ny taonjatoa fahenina sy ny fiatombohan'ny taonjato fahafito i Masindahy Augustin. Mpitoka-monina tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictins tao Roma izy, ary tao no nahafantarany sy ireo asa soratra masina. Avy eo izy lasa lehiben'ny ankohonam-piainana Saint-André.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco