Alatsinainy 01 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 1-12 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

0 : 00

Mivantana amin’ny lohandohan’ny mpisorona, mpanora-dalàna ary loholona ny fampianaran’i Jesoa. Fanoharana no hampitany ny hafatra. Tsy hoe tsy sahy miteny mivantana akory Izy, fa efa fomba entin’ny mpampianatra mampita hafatra mihitsy ny fanoharana. Koa, na efa mahalala ny lalàna sy mahafanatatra ny tenin’Andriamanitra aza ireto manoloana azy ireto dia voasarika hihaino satria mpampianatra no manoloana azy. Sady fanajana olona miteny ihany koa.

Inona àry ny hevitry ny fampianarana entin’i Jesoa eto ?

Tompon-tany anakiray, mampanofa ny taniny, fa rehefa nahavokatra dia tsy nomen’ilay mpanofa ny hofan-tany fa izy indray aza no nandratra sy namono ireo nirahina haka ny anjaran’ny mpampanofa. Vokany : noroahin’ny tompon-tany hiala tsy hamboly intsony ireo satria nivadika tamin’ny fifanarahana, fifanekena sy fifampitokisana. Efa mampianatra antsika sahady izay eto hoe tandremo mivadika amin’ny fifampitokisana, ny fifanarahana, tandremo fetsifetsy eo amin’ny fiainana toy ny misandoka tanin’olona araka ny voalzan’ny Evanjely teo, fa fafan’ny olona tsy ho eo amin’ny fiainany ny fisianao ary amin’ny ora farany dia tsy ho isan’ny tafiditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra ianao. Tsinjovy ny farany.

Fa, raha entintsika lavidavitra ny fanazavana ny Soratra Masina dia izao : tamin’ny andro taloha, sokajy ara-pivavahana roa ihany no nisy : na Jody na Jentily. Ka, ny drafim-pamonjen’Andriamanitra dia ho an’ny Jody aloha ; tsy hoe manavaka akory Izy fa misy ny laharam-pahamehana. Eto anefa, tsy nandray ny Jody, dia hoy ny Soratra Masina hoe : “ho avy ny tompon’ny tanim-boaloboka, ny mpiasa haringany ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa”. Izany hoe : hanangana vahoaka vaovao Andriamanitra dia ireo izay mino ny Anarany. Tsy iza ireo fa isika Kristianina. Teo vao tsapan’ireto olona manoloana an’i Jesoa fa izy ihany kay no voan’izany tenin’i Jesoa izany, satria izy ireo no tsy mino ny fampianarany ary efa rentsika sahady teo hoe mitady fomba hisamborana an’i Jesoa sy fomba hamonoana Azy. Ka ireo izany ilay ho atsipy any ivelany.

Inona àry ny fampianarana azontsika tsoahina ao anatin’izay ?

Voalohany, misy anjara fahasoavanao, anjara toeranao ao amin’Andriamanitra, fa rehefa tsy raisinao izay dia afindrany amin’ny hafa. Misy anjara toeranao ao amin’ny Fiangonana, rehefa tsy tonga mipetraka eo ianao, ny hafa no mipetraka eo ; misy anjara komonionao ao : rehefa tsy tonga ianao, ny hafa no mahazo ; misy anjara adidinao ao, ataon’ny hafa io rehefa tsy hanao ianao. Fa, vokany : amin’ny farany atsipy any ivelany ianao. Tsy ho isan’ny tafiditra ao amin’ny tontolon’Andriamanitra.

Faharoa, mandihina tsara ihany rehefa misy olona miresaka aminao, sao dia efa fampianarana ho anao ilay izy nefa tsy fantatrao.

Fahatelo, mahazakà ilazana ny marina raha te handroso ara-panahy. Ireto manoloana an’i Jesoa anefa, lasa nihataka. Dikan’izay tsy mandroso izany fa mihemotra.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...