Ao am-pon'ny Papa François i Madagasikara matoa izy tonga taty, porofo izany fa manana raiamandreny mpiahy isika. Manaja  sy mankato an'ny  Papa Fransçois ny Malagasy matoa nanasa azy hanao fitsidihana teto amin'ny nosy. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Soatoavina tsara indrindra ary handrisian'ny Papa François ny Malagasy mba handala izany hatrany ny "Fihavanana". Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Nisongadina tamin'ny hafatry ny Papa François ho an'ny Malagasy ny "firaisan-kina" izay endrika iray hisehoan'ny fihavanana. Natao hifandray sy hifameno ny olombelona fa tsy hiolonolona. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Fahasoavana avy amin'Andriamanitra ny harena voajanahary. Tsy afaka misaraka fa mifampiankina ny fahaveloman'ny olombelona sy ny voahary hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny Papa François dia nosalorana ny anarana hoe mpamafy fiadanana. Miandrandra fiadanana ny vahoaka malagasy. Toetra maneho ny maha andriamanitra an'Andriamanitra ny fiadanana. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fiadanana dia tsy maintsy aorina ao amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fitiavana sy ny fahamarinana. Tsy maintsy toherina ny "ady" satria tsy vahaolana fa maika aza miteraka olana hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fikatsahana ny fiadanana dia miara-dalana amin'ny demôkrasia. Ny fiangonana dia mankasitraka ny demôkrasia ; tsy misy demôkrasia marina raha tsy ao amin'ny tany tan-dalàna. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alakamisy 24 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23

Ny fampandrosoana dia "fizorana miala amin'ny tontolom-piainana tsy dia mendrika ny maha-olona, mankay amin'ny tontolom-piaianana mendrika ny maha-olona kokoa". Ny taona 1967 : ho fanatanterahana ny fanirian'ireo ray aman-dreny tao amin'ny konsily dia natsangan'ny Papa Paul VI, ny vaomiera Pontifikaly " rariny sy fiadanana". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Tahirin-kevitra voalohany nantsoina hoe "ansiklika" izany hoe : nalefan'ny Papa Joany faha-23, ho an'ny olombelona tsara sitrapo rehetra. Ansiklika mampahatsiahy ireo manan-jo ho velona sy hisafidy ny fivavahana, ny endrim-piainany ny tsirairay. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Asongadin'ny Papa Joany faha-23, amin'ity ansiklika ity ny fifandraisan'ny firenena samihafa mba hanafoanana ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra "racisme" sy ny hahafahan'ny firenena tsirairay mizaka-tena amin'ny fivoarana "autodeveloppement" ary ny mba hisian'ny fifanampiana "assisntance mutuelle". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alarobia 23 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...