Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Matokia anaka, fa voavela ny helokao." Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io." Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, ka mandehana?’ Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka", dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...