Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19

Ry kristianina havana ! Andro lehibe sy manetriketrika ho antsika tokoa ity andro hakalazantsika an’i Masindahy Piera sy Paoly Apôstôly ity ; ireo Apôstôly izay andry lehibe niankinana sy nianteherana ary niorenan’ny Fiangonana. Voalaza fa tamin’ny Pantekôty nidinan’ny Fanahy Masina tamin’i Masina Maria sy ny Apôstôly no teraka tamin’ny fomba ofisialy ny Fiangonana, fa i Kristy kosa dia efa nanorina azy tsikelikely tamin’ireo Apôstôly, indrindra i Piera, raha naka toky tamin’izy ireo izay heviny sy hevitry ny olona momba an’i Kristy na ny Zanak’olona.

Tsy am-pisalasalana ny valintenin’i Piera nilaza hoe : "Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona !", fa nanambara tsotra izay tao am-pony ; ary i Kristy dia nilaza taminy fa avy amin’ny Ray izany valintenin’i Piera izany. Io rahateo moa ilay fiekem-pinoan’i Piera izay nampiavaka azy manokana tamin’ireo Apôstôly, ary toetrany maneho fahavononana hiatrika fiainana sy hiatrika adidy aman’andraikitra ka nahatonga an’i Kristy hifidy azy ho andry (vato) ho lohan’ny Fiangonana sy ho vatofototra iorenan’ny Fiangonana.

Efa nomen’i Kristy fahefana lehibe tokoa i Piera amin’ny fitantanana ny Fiangonana ary mbola mitohy hatramin’izao amin’ireo dimbiny izany fahefana izany. Hatraiza ka hatraiza àry, ny fanekentsika sy fanarahantsika ny fampianarana, ny fitantana, ny anatranatra atoron’ireo dimbin’i Piera ao amin’ny ambaratongam-pitantanana ny Fiangonana, satria mazava ny tenin’i Kristy hoe : "Izay vahanao ety an-tany dia ho voavaha any an-danitra". Aoka ho tsapantsika mandrakariva fa velona ny Eglizy, na misy inona na misy inona, ary mahasahana ny lafiny rehetra io fahefana nomen’i Kristy io ka hiezaka isika hiombona amin’Izy Kristy sy ny dimbiny izay loha mitarika sy mamelona ny Eglizy, ary hiara-mientana hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra ho an’ny famonjena antsika sy ny famonjena ny hafa.

Ry Jesoa Kristy Tomponay ô ! Ireo Apôstôly no vato fototra nanorenanao ny Fiangonana ary velona ankehitriny sy mandrakizay izany Fiangonana izany, koa arotsahy mandrakariva ny fahasoavana sy ny Fanahy Masina mba hitantana sy hanoro ireo mpitarika isan’ambaratonga mba ho andrinay rehetra sy ho famonjena ny olombelona rehetra. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...