Alahady faha-19 mandavantaona — D — manomàna vatsy sahaza ny mandrakizay ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Tsy maintsy ho tonga ny farandro, ny hanampy antsika hiomana sy hiatrika io fotoan-dehibe io, amin-kafaliana sy fiadanam-po no antony nahatongavan'i Jesoa. Ny fanalahidin'izany hafaliana hihaonana amin'i Jesoa, amin'ny fiverenany fanindroany ety an-tany izany dia ny fahavonona mandrakariva handray azy sy haharetantsika hiasa ho azy satria sambatra ny mpanompo tratry ny tompony miambina fa ny tompo hampandroso azy, amin'ny alalan'ny fahatokisana sy fitiavana azy...

Ireo olona izay mamany am-pandriana tsy fanahiniana, mandritry ny torimaso dia mety ho olana avy amin'ny taova "tatavy", ilaina anefa ny manatona mpitsabo mamantatra ny anton'ireny raha toa ka tsy afaka mandritry ny fahazazana. Ireo ankizy mamany am-pandriana dia matetika iharan'ny herisetra amin'ny lafiny maro : ara-tsaina, ara-batana ; tokony hialana ny toetra mibedy ny ankizy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy hankalaza ny tsingerin-taona nijoroany ny RMDM rahampitso alahady 10 aogositra. Milaza ny hanokana ho andro fahanginana ny rahampitso hahatsiarovana ireo maty, noho ny raharaha Ambohimalaza, izy ireo... ♦ Miantso ny hisian'ny fitoniana pôlitika ireo solombavambahoaka sasany mpomba ny fitondràna amin'izao fandraisana ny fivorian'ny SADC eto Madagasikara izao... ♦ Hiakatra kianja hihaona amin'i Tanzania ny BAREA anio alina, anatin'ny CHAN 2025. Mila mitady fandresena amin'ny mpampiantrano isika Malagasy, raha te ho tsara toerana amin'izao fifanintsanana isam-bondrona izao...

♦ Misy olona maro tokony hosamborina eto Madagasikara momba ny raharaha Boeing 777 hoy ny RMDM. Nahitsy izy ireo nilaza omaly fa misy manakana ny fanadihadiana ataon'ny tompon'andraikitra Malagasy momba ity raharaha ity... ♦ Namaly ny tsikeran'ny mpanohitra momba ny fandraisana ny fivorian'ny SADC eto Madagasikara ny filoham-pirenena omaly. Nambarany fa tsy olom-bitsy amin'ny tambazotran-tserasera no hanakorontana ny Malagasy eto... ♦ Miomana sahady ny Ministeran'ny rano hanamaivanana ny fahasahiranana amin'ny famatsiana rano eto Antananarivo sy ny manodidina mandritra ny main-tany. Nofenoina ho 30 ireo fiara-be mpamatsy rano eny ifotony...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...