♦ Misy olona maro tokony hosamborina eto Madagasikara momba ny raharaha Boeing 777 hoy ny RMDM. Nahitsy izy ireo nilaza omaly fa misy manakana ny fanadihadiana ataon'ny tompon'andraikitra Malagasy momba ity raharaha ity... ♦ Namaly ny tsikeran'ny mpanohitra momba ny fandraisana ny fivorian'ny SADC eto Madagasikara ny filoham-pirenena omaly. Nambarany fa tsy olom-bitsy amin'ny tambazotran-tserasera no hanakorontana ny Malagasy eto... ♦ Miomana sahady ny Ministeran'ny rano hanamaivanana ny fahasahiranana amin'ny famatsiana rano eto Antananarivo sy ny manodidina mandritra ny main-tany. Nofenoina ho 30 ireo fiara-be mpamatsy rano eny ifotony...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...