Sabotsy 6 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32

♦ Nahazo alalana ny tatitra hataon'ireo solombavambahoaka TIM eny amin'ny Magro Tanjombato rahampitso. Entina eto ireo fanazavana samihafa momba io hetsika rahampitso io... ♦ Tamin'ny Ditrikan'i Morafenobe no nisy ny ivon'ilay andro ratsy tamin'ny 3 ora tolakandro teo. Mbola mitohy ny oram-be amin'ny faitra maro, toy ny any Maintirano, Bongolava, hatrany Sofia...

Fambolem-bary ety afovoan-tany : mivaha ny olana amin'ny tsy fahampian'ny Faosifaoro. Andalam-panandramana ao amin'ny kaominina Ambanivohitra Behenjy, distrika Ambatolampy ankehitriny ny P-Dipping. Nisy ny fampisehoana ny fahombiazan'ity teknika ity ny 26 febroary teo... 

♦ Efa nomena fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona notanana am-ponja tamin'ny raharaha nahamay ny trano fiasan'ny ONE teny Antaninarenina, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana... Mampitodika ny mason'izao tontolo izao, hanome tombony ny fiatrehana ny ho avin'ny ankizy sy ny fanarenana ny seha-panabeazana ny UNICEF, raha nanao tatitry ny fiantraikan'ny Covid-19 amin'ny seha-panabeazana...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...