Tombony lehibe ho an'ny ankohonana ny fanànana ny vehivavy, izay fo mitempo hampiaina fitiavana azy. Saina mihevitra ny ho avy "ho azy sy ny ankohonany". Atodiny amin'ny fitsinjovana ny tontolo iainana ny hetsika rehetra ataony. Fampiasàna fatana mitsitsy tsy haringana ny ala, fanodinana ireo fako mba hampihenàna ny vola mivoaka. Zariny sahady ihany koa ny zanany mba hanaja ny tontolo iainana...
♦ Anio no hahafantarana ny valin-tenin'ny eo anivon'ny OMC eto amin'ny Faritra Analamanga, ny amin'ny fanomezan-dalana ireo solombavambahoaka TIM hanao tatitra amin'ny vahoaka, rahampitso sabotsy... ♦ Mbola hihamafy ny rotsak'orana anio amin'ny ankapobeny manerana ny nosy, araka ny nambaran'ny teo anivon'ny Météo. Ho mafy kokoa anefa izany ho an'ny Faritra Melaky sy Boeny...
Zoma 5 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46
♦ Namerina nampahafantatra androany ireo solombavambahoaka TIM fa hakisaka eny amin'ny Magro Tanjombato ny tatitra amin'ny vahoaka saika hataon'izy ireo eny Soamandrakizay. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny Prefektioran'ny Pôlisy Antananarivo... ♦ Nivadika ho andro ratsy ilay tangoron-drahona naraha-maso tao amin'ny Lakandranon'i Môzambika. Anio alina izy no hanatona ny maron-tsiraky ny faritr'i Melaky, ka mety ho lasa "dépression tropicale"...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco