23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.

23 marsa 2025 — Alahady Fahatelo amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)

22 marsa — Mpianatr'i Masindahy Jérôme i Léa. Anisan'ireo vehivavy manan-kaja romana mpankafy ny fampianaran'i Masindahy Jérôme izy. Amim-pankasitrahana tokoa no nihainoany ny famakafakana ny Soratra Masina natoan'i Masindahy Jérôme tao Rome. Rehefa maty ny vadiny, dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ka niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rome izy ary lasa lehiben'io trano io izy taty aoriana.

22 marsa 2025 — Sabotsy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...