♦ Namoaka hafatra, tao aorian'ny fivoriambe ara-potoana voalohany tamin'ity taona ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Manova ny fomba fiaina sy ny fifandraisan'ny zanak'olombelona ny valan'aretina misy ankehitriny, hoy ireo Eveka... ♦ Manao antso avo amin'ny sehatra isan-tsokajiny ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, mba ho sahy hijoro manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nambarany fa voatohintohina tanteraka ny fahafahana maneho hevitra vokatry ny sakatsakana sy ny ramatahora, eto amin'ny firenena...

Nahomby ny tetik'asa fiaraha-miasa eo amin'ny Tatsimo samy Tatsimo nampiharina teto Madagasikara nandritra ny 2 taona nanomboka tamin'ny taona 2019. Tetik'asa niarahan'ny Fitondram-panjakàna Malagasy tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ary ny FAO na ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena izay nanao ny tantsoroka ara-teknika... 

♦ "Ny Fanahy fahamarinana no hitari-dalana anareo amin'ny marina rehetra", izay no lohatenin'ny hafatry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, tao aorian'ny fivoriambe ara-potoana voalohany, izay nataon'izy ireo tamin'ity taona ity tamin'ny alalan'ny "visioconférence"... ♦ Araka ny fantatra dia fahatsentsenan'ny lalandra tany amin'ny avokavoka na "embolie pulmonaire" no nahafaty ny Dokotera Hasina Raherimandimby, ilay mpitsabo tany amin'ny CHU Tambohobe Fianaranatsoa, izay maty tampoka omaly maraina...

Mamono ny valanaretina Covid-19 fa tsy tokony adinoina fa misy aretina hafa maro mety mamono raha tsy mitandrina isika. Maro ny olona maty sy mararin'ny covid-19 ary mandray ny fepetra azo atao isika mba ho foana io valanaretina io. Tsy tokony adinointsika anefa fa mbola maro koa ireo aretina hafa mety hahafaty ka mila ny fifanabeazana sy ny fitandreman'ny rehetra... 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...