Alakamisy 2 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11

Mahaliana tokoa ny tenin'Andriamanitra satria mankahery sy mitondra famonjena ; tsy mahagaga àry, raha itangoronan'ny vahoaka i Kristy eto, satria te handre sy te hahazo fahasoavana izy ireo na dia eny amoron-drano aza. Tsy nanosi-bohotanana azy ireo i Jesoa, fa nanaiky hampianatra azy ireo, hitondra izay Vaovao Mahafaly izay. Tsapantsika avy amin'ity zava-nitranga ity àry, fa ilaintsika olombelona eo amin'ny fiainantsika ny tenin'Andriamanitra. Profon'izany, ity nolazain'i Simôna Piera ity hoe : "Noho ny teninao, dia halatsako ihany ny haratoko". Tsy manoro vohona i Kristy fa mikendry mandrakariva izay hahasoa antsika amin'ny alalan'ny teniny.

Mila finoana sy fahatokisana azy tanteraka anefa izany, mba tsy ho teny manidina fotsiny na sanatria toy ny rano atondraka volom-borona ka handalo fotsiny, na ahiditra amin'ny sofina havia ka havoaka amin'ny sofina havanana fotsiny. Mihaike tahaka an'i Simôna Piera eto, ka sahia milaza hoe : "Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho", satria isika indraindray, toa zatra mihaino fotsiny ny teny fa tsy manatanteraka akory. Tsy ataotao foana na fombafomba fotsiny àry itony fandaharana "Tenin'ny Tompo" ato amin'ny Radio Don Bosco itony, fa natao mba hanampy antsika amin'ny fiainana andavanandro, indrindra amin'ny fiainana maha kristianina.

Koa aza matahotra àry, fa mahasoa antsika tokoa ny tenin'Andriamanitra zaraina isan'andro. Sahia manaraka akaiky sy manongilan-tsofina hihaino ny fampianaran'i Kristy, tahaka ireo namoy ny zavatra rehetra ka nanaraka azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...