Niova tanteraka i Ravaka, nisaraka tamin'ireo naman-dratsiny, eny fa na dia efa nitoe-jaza tamin'i Sanda aza izy, ary vonona ny hitaiza ny zanany. I Sanda kosa vao mainka manohy ny asa ratsiny hatrany, raha efa niova ihany koa i Sedra, ary te hanaraka ny làlan'i Dina.

Namaramparana ny fivahiniany eto Madagasikara i Line Bordas. Nametraka fahatsiarovana ho an'ilay rahavaviny kambana aminy izay hitany ihany izy. Fifankahitana  azo lazaina hoe niserana tao anatin'ny indray mipi-maso monja ihany, ary fifankahitana nitondrana fangirifiriana tsy hay fafana eo amin'ny androm-piainany manontolo.

Sabotsy 08 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Zanaka tantsaha, nilofo tamin’ny fambolena sy fiompiana, naneho safidy matotra ka mifototra amin’ny lalam-pihariana ronono ho foto-pivelomana Andriamatoa Razafindrainibe Mbolatiana Lucien. Tanora mpandraharaha mamokatra ronono amin’ny alalan’ireo omby vavy be ronono ao amin’ny toeram-piompiana ao kaominin’i Soavina distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...