Zoma 3 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39

Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny fifadian-kanina sy fisotro dia famantaram-pahatokisana ny fanajana ny lalana eo am-piandrasana ny Mesia. Efa nohavaozin'i Kristy anefa izany satria Izy mihitsy no Mesia anndrasana, koa tsy tokony hifady hanina intsony. Izy no Mpampakatra ambaran'ny teniny eto, ka ahoana àry no hifadian'ny mpianany hanina ? Mbola ho avy, hoy izy, ny fotoana hanesorana ny Mpampakatra aminy ka amin'izay vao hifady hanina izy ireo. Fiainam-baovao no nentin'i Kristy, ka manafoana ny tranainy izy amin'izany, izany no nanaovany ity fanoharana ambaran'i Masinday Lioka ity. Ny lamba tonta sy ny siny hoditra tonta dia ny fomba rehetra taloha, fa ny lamba vaovao sy ny divay vaovao dia ny Evanjely na izy tenany sy ny fombany mihitsy. Mazava ny valintenin'i Kristy araka izany, efa tonga ny andron'ny Mpamonjy, vanim-potoanan'ny fifaliana ny vanim-potoana miaraka amin'i Kristy, ary tsy misy fiafarany. Ny fifadian-kanina izany ho azy, dia midika ho trangam-piainana hafa mihitsy, izany hoe trangam-piainana tsy iarahana amin'i Kristy intsony. Fiainam-pifaliana miaraka amin'i Kristy ny fiainan'ny mpianany ka tsy avelany hijaly izy ireo ; tsy hoe manome vahana ny mpianany tsy hanaraka ny fomba sy ny lalana misy izy, fa mampandinika kosa mba hahay hijery ny ankehitrininy.

Isika ihany koa àry, no entanin'i Kristy mba tsy ho entim-pahazarana fotsiny fa hahay hanadihady ny trangam-piainana miaraka aminy.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...