Zoma 4 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37

♦ Mitohy ny hazalambo ireo dahalo, izay nanafika tany amin'ny Distrikan'i Midongy Atsimo. Hatreto dia an-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony kosa ireo dahalo voasambotra... Fampitam-baovao avy amin'ny Antenimieram-pirenena, nanazava ny tsara ho fantatra mikasika ny tolo-dalana mifehy ny zom-pirenena malagasy...

Feno ala voajanahary nahitàna hazo malagasy maro teto amintsika, nanerana ny Nosy talohan'ny fanjanahantany. Rehefa tonga ireo vazaha dia namboly hazo vahiny izay haingam-paniry anefa tsy ahazoana tombontsoa akory. Ho fiarovana ny ala  ary ho famerenena ho maitso ny nosintsika dia ilaina ny fambolena hazo malagasy sy sakafo ho an'ny biby "paturage", manao fiompiana mifefy "ferme bio", averina ny fifaninanana kaominina maitso. Ny hazo malagasy dia mahalonaka ny tany, mamelona loharano ary miaro ny tontolo iainana... 

♦ Iray volana mahery mialohan'ny fanadinana CEPE sy BEPC, tomombana hatrany amin'ny 80% ny fanontana ny taratasim-panadinana eny amin'ny orinasa CNAPMAD... ♦ HIjery manokana an'ireo toeram-piantsonan'ny taxi-be mety mahatonga ny fitohanana be loatra ao an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo... ♦ Tsy anjaran'ny fitondram-panjakàna no mamaritra izay olona ho lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara hoy ny antoko otrik'afo... 

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...