Ao anatin'ny fihotazana lavanila ny faritra sasany mpamokatra izany amin'izao fotoana izao. Nampanarahana amin'ny teknikam-pambolena ny daty fihotazana lavanila eto Madagasikara... 

♦ Miantso ny fanjakana hijery akaiky ny olan'izy ireo ny tompon'ny orinasa nanao ny fikojakojana ny lalana manerana ny nosy. Mbola tsy naharay ny vola tambin'ny asa izy ireo hatramin'izao... ♦ Eo am-piandrasana ny vokatry ny fanadihadiana parlemantera momba ny raharahan'ny orinasa Sofitrans, ny mpiasa ao aminy ankehitriny. Izy ireo izay miaina fahasahiranana noho ny fampiatoana ny sidina...

Miha simba sy mikorosy fahana ny tontolo iainana amin'izao fotoana izao. Adisisika na plaidoyer raha adika amin'ny teny frantsay, hetsika iray miantefa amin'ny mpanapa-kevitra voafaritra mazava entina hanovana na hanohanana zavatra iray na koa hangatahana zavatra iray. Tsy ny rehetra no manao ny adisisika fa olona vitsivitsy misolo tena, mahalala sy mahafehy tsara ny zava-misy. Ny fomba hanatanterahana azy dia amin'ny alalan'ny fihetsika sy fahazarana ary fanairana ireo tompon'andraikitra... 

♦ Mbola mitohy ankehitriny ny hazalambo ataon'ny mpitandro ny filaminana an'ireo dahalo nanafika tany Midongy Atsimo. An-jatony ny omby efa tafaverina, am-polony ireo dahalo voasambotra... ♦ Tsy laharam-pahameha ny fanamorana ny fahazoan'ny vahiny zom-pirenena malagasy, hoy ny Solombavam-bahoaka TIM, Todisoa Andriamampandry...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...