Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany, dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha misy manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa. Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy."

Tamin’izany andro izany, raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: "Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona, ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo." Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: "Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?" Dia hoy i Piera: "Mandoa Izy." Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: "Ahoana ny hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia, ny zanany sa ny olon-kafa?" Hoy i Piera taminy: "Ny olon-kafa." Dia hoy i Jesoa: "Raha izany àry, dia afaka ny zanany. Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao."

Tamin’izany andro izany, nimonomonona tamin’i Jesoa ny Jody satria Izy nanao hoe: "Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra". Hoy izy ireo: "Moa tsy i Jesoa zanak’i Jôsefa va ity, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ka ahoana àry no anaovany hoe: "Nidina avy any an-danitra Aho?" Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Aza mimonomonona ianareo. Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny Mpaminany hoe: ‘Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra’. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no Mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny Mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao".

Mitana anjara toerana goavana amin'ny fiainan'ny tanora ihany koa ny fikatsahana fahasambarana, voajanahary izany. Andriamanitra nahary ny olona hisaina ary nanome azy ny fahamendrehana. Tiako hoy ny Pape Fransoa, raha ny tsirairay avy no mikatsaka io hasambarana io, dia ny hasambarana maharitra mandrakizay. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...