♦ Hoarenina ny RN-13 ampahany eo anelanelan'ny sampanan-dalana Ikalamainty sy ny fivoahana eo Betroka mirefy 118 km.Ny hanarenana ny toekaren'ny Faritra Atsimon'i nosy no tanjona... ♦ Manao antso avo amin'ny fahefana mahefa isan-tsokajiny hijery akaiky ny momba ny tsy fandriam-pahalemana ny Justice et Paix, any amin'ny diosezy Maintirano... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny tarehimarika momba ny herisetra mianjady amin'ny ankizy, nandritra sy taorian'ny amehana ara-pahasalamana, niainana ny valan'aretina covid-19...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...