Nahavory olona maro ny andro voalohan'ny foara iraisam-pirenena ho an'ny toe-karena eny ambanivohitra na ny FIER MADA andiany faha-22, tanterahana eny amin'ny kianjan'i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo-Renivohitra. Foara nanomboka ny alarobia 04 aogosiatra hatramin'ny alahady 08 aogositra ho avy izao.

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 06 aosgositra 2021 i Sr Rafaraonisoa Blandine, malagasy voalohany voatendry ho lehiben’ny Fikambanana Masera Filles de Marie auxiliatrice eto Madagasikara- Province "Marie Source de vie". Haharitra enin-taona ny fotoam-piasany.

♦ Andrasana amin'ity anio ity ny tohin'ilay raharaha Apollo 21. Efa misy tonga eny amin'ny fitsarana Anosy ireo olona voarohirohy... ♦ Manahy ny mety hahafahan'ireo "Trondro vaventy" voakasiika amin'ilay vatosoa valo kaontenera ny KMF/CNOE Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Tsy manana mpiadina ao amin'ny sokajy OSE kosa, ny sekoly katôlika manerana ny Nosy amin'ity Baccalauréat 2021 ity...

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra." Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...