Alakamisy 12 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21 — 19, 1
♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy androany, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny maha faritra faha-23 an'i Vatovavy. Natao sonia ny maha manan-kery ny lalana mifehy izany... ♦ Hanao tomba ny fanatanterahana ny fampnantenana nataon'ny mpitondra nandritra ny fampielezan-kevitra ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo tompon'andriakitra tamin'ny fanodikondinana ny fanampiana ho an'ireo lasibatry ny kere tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy...
♦ Nanjavona tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ny "container" iray feno fanafody 1630 baoritra, araka ny fampitam-baovaon'ny OPHAM... ♦ Nisesy ny fangalarana zaza fotsy bobo na varive tato ho ato tany amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy vitan'ny hangalarina fa tapahan'izy ireo ny lohany.... ♦ Misy mamitaka ny filoham-pirenena ka mila mitandrina. Ny olona akaiky azy ihany no ao ambadik'izany hoy Profesora Ralison Roger, momba ilay raharaha Apollo 21...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ny mpianany: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka marainakoa hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony. Ary rahefa nifanaiky tamin’ny mpiasa izy fa denie iray avy isan’andro ny karamany, dia nasainy hankany an-tanim-boalobony izy ireo.
Ary nivoaka izy tamin’ny ora fahatelo, dia nahita mpiasa hafa nidonana-poana teny an-kianja; ka andeha koa ianareo, hoy izy taminy, mankany amin’ny tanim-boaloboko, fa homeko anareo izay antonony. Dia nankany ireo. Ary nivoaka indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy, ka nanao toraka izany koa. Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro? Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloko.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy ilay tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny fananany: Antsoy ny mpiasa, ary omeo ny karamany, aseseo avy atý amin’ny farany, ka hatrany amin’ny voalohany. Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy. Fa nony nanatona kosa ny voalohany, dia nanantena hahazo bebe kokoa, kanjo denie iray misesy avy ihany koa no azony. Teo am-pandraisana izany izy dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano nanao hoe: Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa nampitovianao aminay izay niaritra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro. Dia izao no navalin’ny tompo ny anankiray tamin’izy ireo: Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy marina aminao aho; moa tsy denie iray va no nifanekenao tamiko? Anao ny anao, dia mandehana, fa tiako ny manome an’ilay farany toraka ny anao koa. Tsy mahazo manao izay tiako amin’izay fananako va aho, sa ratsy ny masonao satria tsara aho? Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany."
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco