Tamin’izany andro izany, ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny lalàna?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra, ary amin’ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao itý fanoharana itý hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. Dia hoy izy tamin’ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana, ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidîna."

♦ Nambara tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha ny maha Faritra faha-23 an'i Vatovavy. Natao sonia ny maha-manan-kery ny lalàna mifehy izany... ♦ Hanao tombana ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny mpitondra nandritra ny fampielezan-kevitra ny fiaraha-monim-pirenena. Nampahafantarina teny amin'ny foibe Arrupe Faravohitra ny tetik'asa BAROCI... ♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo tompon'andraikitra tamin'ny fanodikodinana ny fanampiana ho an'ireo lasibatry ny kere tany Atsimo... 

Ny herisetra atao amin'ny zavaboary dia herisetra manohitra ny olombelona ary fahotana manohitra an'Andriamanitra, noho izany, misy fomba fandinika sy fandraisana ny zavatra rehetra tokony hanaja ny nandaharan'Andriamanitra azy ireny tsirairay. Katesizy momba ny firotsahana amin'ny fikambanana hikatsahana ny soa iombonana, iarahana amin'I P. Ranaivozanany Tine Jeannot.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...