♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...

Mila hamafisina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana any amin'ny Faritra atsimon'ny nosy hoy Andriamatoa Zafisolo Louis, mpiompy any amin'ny Faritra Androy raha tiana ny hamaha ny olana mahazo ny mponinia noho ny fisian'ny kere. Manana toerana manokana amin'izany ny fiompiana osy.

Nitsangana teo akaikin'ny Hazofijalian'i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina. Nony hitan'i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dReniny: "Ravehivavy, indro ny zanakao". Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: "Indro ny Reninao". Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.

♦ Tafiditra ao anatin'ireo firenena telo maneran-tany, mbola ahitana pesta miverimberina i Madagasikara... ♦ Fotoana tsara handinihana sy hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana, izay tsy mampitovy hevitra ny mpisehatra pôlitika izao, hoy ny CFM...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...