Natoky tanteraka ny herin'ny fanavotan'Andriamanitra i Md Josefa. Modelin'ny fankatoavana ny finoana sy ny fitiavana ho antsika ao amin'ny Eglizy izy, tamin'ny "eny" nankatoavany ny sitrapon'andriamanitra araka izay nampitain'ny anjely taminy.

Mampianatra antsika ny adidin'ny ray tompon'andraikitra izy. Amin'izao famaranana ny taonan'i Md Josefa izao, arahantsika ny fandalinana momba ny toetra sy hatsaram-panahiny, miaraka amin'i P. Rakotondramanana Soloniana Jean Emilien, Rektoran'ny Seminera zandriny - Antananarivo.

 

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...