Alarobia 8 desambra 2021 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Rehefa 08 desambra ny Eglizy dia mankalaza an’i Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, izany hoe i Masina Maria tsy voakasika ota hatrany an-kibon-dreniny, tsy voan’ny fahotana tamin’ny fototra. Isan’ny foto-pinoana momba an’i Masina Maria izany. Fa fahatanterahan’ny famonjena antsika ao amin’i Kristy koa izany. Narovan’ny Ray tsy hisy pentina i Masina Maria mba ho reny mendrika ny Zanany. Reny madio indrindra, tsisy pentina, feno fahasoavana, izany no reny mendrika an’i Jesoa Andriamanitra Mpamonjy.

Fahatanterahan’ny famonjena antsika ao amin’i Kristy koa ity fankalazana manetriketrika ity ary mampitodika antsika amin’i Kristy Mpamonjy tokana. Manaiky ho iray fomba aman-toetra amintsika i Jesoa ka tanteraka miaraka amin’izany ny famonjena.

Taratry ny Eglizy i Masina Maria tsy azon-keloka satria miteraka ny zanak’ Andriamanitra ; fa eo koa ny mitondra an’Andriamanitra ho eo amin’ny olombelona sy mitaona ny olombelona hanatona an’Andriamanitra. Mpiaro voalohany an’i Madagasikara i Masina Maria tsy azon-keloka araka ny nanokanan’i Mompera Pierre Dalmond azy tamin’ny 01 aogositra 1644. Modely ho antsika i Masina Maria amin’ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Mifefe aminy, angataho izy hivavaka tsy tapaka ho antsika. Tahaka azy, raisontsika ho tonga nofo amintsika ny Tenin’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...