Mila faharetana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly satria mila fotoana ireo olona hitoriana vao ho afaka mandray ao aminy ny fiainana ny hafatr'i Kristy ary mila fotoana ihany koa ny hibebahany marina tokoa. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Sabotsy 12 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10
♦ Ho tonga amin'ny herinandro ny hélicoptère lehibe mpitaona entana, afaka hamatsy sakafo ireo disitrika izay saro-dalana amin'izao fotoana izao... ♦ 47 taona katroka androany ny nahafaty ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Misy hatrany isan-taona ny fahatsiarovana azy eny amin'ny Tsangambato Ambohijatovo Ambony... ♦ Efa misokatra amin'izao fotoana izao ny tranokalan'ny OJM na ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara...
Teny finoana ho an'ny Eglizy katolika ny nampakarana any an-danitra i Masina Maria, izay nambaran'ny Papa Pie XII tamin'ny alalan'ny constitution apostolique "Munificentissimus Deus", ny 01 novambra 1950, constitution apostolique. Ilay Renin'Andriamanitra virjiny madio indrindra, rehefa nahavita ny fiainana teto an-tany dia nakarina vatana sy fanahy any amin'ny voninhaitry ny lanitra. Fandalinana momba an'i Masina Maria miaraka amin'i P. Hervé Solofoarimanana
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco