Sabotsy 12 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 1-10
Ry kristianina havana, niresaka momba ny fahagagana : nampiteny ny moana sy nampalady ny marenina ny Soratra Masina omaly, izany hoe niresaka momba ny sakramentan’ny batemy. Anio indray, miteny mahakasika ny fampitomboana ny mofo nataon’i Jesoa tany amin’ny tany tsy mpino ny Soratra Masina, izany hoe miresaka momba ny Eokaristia. Rahefa miresaka ny Eokaristia dia miresaka ny ivon’ny fiainana kristianina, miresaka ny Sorona Masina izay vavaka lavorary indrindra : vavaka faratampony, feno, mitodika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Fahagagana faharoa amin’ny fampitomboana ny mofo nataon’i Jesoa no ambaran’ny Soratra Masina : ny voalohany tany amin’ny tany Jody, ity faharoa tany amin’ny tany Jentily. I Jesoa izay tsy miandry angatahina, fa Izy no mangoraka ireto olona manara-dia azy. Ry namana, tsy mamela antsika ho irery i Jesoa, mahalala ny ilaintsika ary mangoraka antsika izy. Ampy ny mifikitra aminy sy matoky Azy. Natao ho an’ny olona rehetra ny mofo avy amin’i Jesoa na Jody na tsia, te hampianatra ireto mpianany sahady i Jesoa amin’ny fisokafana ny fitoriana ny Evanjely rahatrizay.
Rahefa avy nanao ny vavaka fisaorana i Jesoa dia nirahiny ny mpianany hizara ny mofo amin’ny vahoaka ary nisy ambiny maro. Nahita ny nataon’i Jesoa izy ireo amin’izay tokony hatao. Te hanao izany koa fa tsy manana ny entina manao. Mampianatra antsika anefa i Jesoa hanao sy hampiasa izay kely eo am-pelatanana, tsy hiraviravy tanana amin’izay azo atao amin’ny namana. Voky ny olona, afapo tanteraka ary nisy ambiny maro, fito sobika. Ny isa fito mampatsiahy ny diakra fitolahy izay misahana ny fitsinjarana ny sakafo teo amin’ny ankohonana grika.
Izay misakafo dia ho velona, izay manana ambiny maro dia ho velona tsy ho maty ara-tsakafo. I Kristy no tena mofo velona, mofon’aina. Hoy izy, izay mihinana azy sy misotro azy dia hanana ny fiainana mandrakizay ary hanana ny fiainana (Jo 6, 54).
Mpivahiny isika ety an-tany, mbola lavitra ny lalana. Mba ho tafita amin’ny lalana isika dia mila tohan’aina, mila misakafo. Mba tsy ho reraka eny an-dalana, mila mandray an’i Jesoa matetika isika. I Jesoa Kristy no vatsin-dalana ho antsika. Noho izany no mahatonga antsika mamonjy lamesa isan’andro, sady mahazo ny vatsy anio no mahazo vatsy antoky ny rahampitso.
Mampahatsiahy ny fiombonana tanteraka ny fankalazana ny Eokaristia, mampiombona antsika amin’i Jesoa no mampiray antsika amin’ny namana. Tsy misy olona afaka miara-misakafo raha tsy olona iray fo, iray saina, olona mifankatia sy mifankahazo. Lavorary ny fandraisana ny vatan’i Kristy rahefa misy izay fiombonam-po eo amin’ny samy kristianina izay.
Mampiombona tanteraka ny Eokaristia. Hoy i Masindahy Paoly : "Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika tsy firaisana amin’ny ran’i Krsity va ? Ary moa ny mofo izay vakintsika tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va ? Satria iray ihany ny mofo ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra" (1 Kor 10, 16). Izany no mahatonga ny Fiangonana maneho fiombonana tanteraka amin’ny fifanampiana, amin’ny famonjena indrindra ireo marefo, satria vatana iray ka tsy mamela ny ratsam-batany harefo na harary fa mitsabo sy mikolokolo mba ho vatana salama mandrakariva hatrany. Amen.