♦ Sorona Masina sy fizarana ny Sakramentan'ny marary ary famangiana marary no nanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny marary androany, tao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Miantso voin-kava-mahatratra, noho ny takaitran'ny rivodoza Batsirai, amin'ireo katôlika rehetra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Hivahiny any Malta ny Papa François, ny 2 sy 3 aprily 2022...

♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ireo vadintany sy mpanao lavanty manerana an'i Madagasikara, manomboka amin'ny alatsinainy izao... ♦ Tsy misy fiovana ny datim-panadinana amin'ity taom-pianarana ity, na teo aza ny valan'aretina sy ny faharatsian'ny toetrandro... ♦ Mijanona ho 94 hatramin'izao ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza, raha ny tatitra avy amin'ny BNGRC...

Ny fahatsarana eo amin'ny tokantrano dia toy ny mandeha ho azy, avy amin'Andriamanitra ny fahatsarana. Ny fahasarotana dia ilay tsy araka ny nandrasantsika sy tsy nampoizintsika. Sedra tsy maintsy andalovana izy ireny ka mila mifikitra amin'Andriamanitra hatrany amin'ny famahana izany. Ny fahatsarana sy ny fahasarotana dia samy mamolavola ny tsirairay hanamafy ny fifankatiavana eo anivon'ny tokantrano...

♦ Nanentana ny tokony hisian'ny firaisan-kina lehibe ao anatin'ny Governemanta ny Filoha, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra... ♦ Misy tangoron-drahona izay mitondra oram-baratra ao amin'ny Ranomasimbe Indianina, ka tombanana hisy ny fiforonan'ny andron ratsy manomboka ny alahady izao... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fivoahan'ny horonam-peo ahenoana resaka mampieritreritra sy ny anaran'ny Minisitry ny Fitsarana ny SMM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...