Alarobia 15 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23

♦ Nitokana ny asa-panitarana sy ny fanatsarana ny sampana vonjy aina tao amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona androany, ny Filoham-pirenena... ♦ Nanomboka androany ary haharitra hateloana ny Kôngresy Nasiônali'ny SECES. Hotanterahana mandritra izany ny fifidianana ny Birao Nasiônaly... ♦ Nanambara ny Tale Jeneralin'ny Fadin-tseranana fa mbola mitohy ny raharaham-pitsarana ny volamena 73kg mahery, tratra tatsy Afrika Atsimo...

♦ Hotanterina any amin'ny foiben'ny Vondrona Afrikàna ny raharaham-pirenena eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Vondrona Panorama. NIhaona tamin'ny solontenan'io vondrona io eto amintsika omaly... ♦ Hatsangana ny Vaomiera mpanao fanadihadiana momba ny fiakaran'ny vidim-bary sy ny PPN amin'izao. Nankatoavin'ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza ny tolo-pehin-kevitra momba izany... ♦ Maniry fihaonana amin'ny filohan'ny antenimieram-doholona ny sendikàn'ny  mpiasa eo anivon'ity andrim-panjakàna ity. Miandrandra "Prime" arak'asa izy ireo...

Tamin’ny andro nanoloran’ny ray aman-dreniny an’i Jesoa tao an-tempoly, dia nisy koa tao mpaminany vavy anankiray, dia i Ana, zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...