Rehefa vita ny fiofanana eny amin'ny seminara zandriny dia miroso mankeny amin'ny seminera propedetika manohy ny fiofanana no sady manomana ny saina amin'ny fampianarana ambony mandritra ny taona iray. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Zoma 17 desambra 2021 — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17

♦ Nangingina ny fitokanana ny seranam-piaramanidina vaovao ety Ivato androany. Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany no nitokana azy ; tsy nanatrika ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra noraisin'ny fitondrana nandritra ny Filankevitry ny ministra, manoloana ny fiparitahan'ny Covid-19, ny Solombavam-bahoaka Rolland Ratsiraka. Tsy vahaolana ho an'ny firenena izany, hoy izy, manoloana ny zava-misy...

♦ Nandray fepetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina Covid-19 amin'ireo faritra telo tena ahitàna olona maro marary ny fitondram-panjakàna. Miditra amin'ny vanim-potoana fahamailona ara-pahasalamana ireo faritra ireo manomboka izao... ♦ Nodimandry alina ny filohan'ny Filan-kevi-pitantanan'ny Malagasy Dairy Board, Haingotiana Razafindraibe... ♦ Navitrika amin'ny fandoavan-ketra amin'ny alalan'ny anjara hetrako sy e-hetraphone ny any avaratry ny nosy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...