♦ Hiainga eto Antananarivo, ho any Antsirabe amin'ny alatsinainy 20 desambra 2021 ny Lakroa JMJ Mada... ♦ Notokanana omaly ny Fiangonana Notre-Dame de Lourdes, Miaramasoandro Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino handray anjara amin'ny soa iombonana, mandritra ny vanim-potoanan'ny Fiaviana ny Papa François...

♦ Nahazo ivo-toerana voalohany fikarohana momba ny Vaksiny isika eto Madagasikara. Anisan'ny hokarohina amin'izany ny Covid-19, ankoatra ireo aretina mateti-pitranga eto amintsika... ♦ Mitaky ny hametrahana "Etat Régional" eto Madagasikara ny antoko Gasy-Mi hisian'ny fitsinjaràna ara-pitantanana. Izany hoy izy ireo, no vahaolana mety hanarenana ny firenena sy hisian'ny fampandrosoana isam-paritra... ♦ Tsy hamoaka ny naotin'ny mpianatra eny amin'ny sekolim-panjjakànaireo mpampianatra Fram any Fitovinany amin'izao fanadinana 3 volana voalohany izao. Fitakiana tambin-karama sy "aide spéciale".

♦ Voasakana ny hetsika nataon'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Toliara omaly, andro nanamarihana ny tsingerin-taona faha-72 nahaterahany. Nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso... ♦ Olona 8 no matin'ny Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny 7andro, Nanafosafo ny arivo ny tranga vaovao, hoy ny MInSanté... ♦ Milaza ho tsy mankatoa ny filoha ireo ligim-paritra 12 amin'ny 14, eo anivon'ny federasiôna malagasy Karaté Do, noho ny tsy fetezam-pitantanana, miantso ny Ministera mpiahy izy ireo...

Hevitra roa no afahana manazava ny hoe "fiofanana" eto : ny mikasika ny dingam-piofanana ary ny mikasika ireo andry efatry ny fiofanana maha-pretra (ara-pastoraly, ara-pahalalana, ara-panahy, ny lafiny maha-olona). Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...