♦ Nitaky ny hanaovana fivoriana mikaton-trano handinihana ny raharaha anatin'ny Antenimieram-pirenena sy ny raharaham-pirenena ny Solombavam-bahoaka tsy miankina sy ny mpanohitra. Na dia maro an'isa aza, tsy nahatratra ny fetr'isa ilaina izy ireo... ♦ Tanora 50 mianadahy nahavita fandrafetana lafim-panofanana ho an'ireo mpisehatra amin'ny asa tanana omaly, no notolarana mari-pahavitam-piofanana tety amin'ny foiben'ny Tranoben'ny Asa Don Bosco Ivato...

Rariny raha mankamamy ny fahafahana ary mikatsaka azy amin'ny fony tokoa ny olombelona satria ilay hasina maha-olona mihitsy no mitaky izany. Ny fahafahako dia mijanona rehefa manomboka ny fahafahan'ny hafa. Hoy ny Pape Joany Paoly faharoa hoe :  miriaria anaty fahafahana tsy hita noanoa ny olombelona satria afa-mihinana amin'ny hazo rehetra ao antin'ny saha. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 6 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 53-60

♦ Saika nisy fivoriana mikaton-trano sahady teny Tsimbazaza androany, handinihan'ireo Solombavam-bahoaka ny raharaha anatiny sy ny raharaham-pirenena amin'ny ankapobeny. Nitsipaka ny ny hisian'izany ireo Solombavam-bahoaka mpanohana ny fitondrana... ♦ Voatery hanondrontra ny saram-pianarana mifanaraka amin'ilay fampakarana karama farany ambany ireo sekoly tsy miankina amin'ny taom-pianarana ho avy... ♦ Tanora 50 mianadahy nahavita fandrafetana lafim-panofanana ho an'ireo mpisehatra amin'ny asa tanana indray androany no notolorana mari-pahavitam-piofanana tety amin'ny Foiben'ny Tranoben'ny Asa Don Bosco Ivato. Afaka hisehatra amin'ny asa avy hatrany izy ireo, ao aorian'izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...