Alakamisy 28 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 47-53

Fanoharana hafa momba ny Fanjakan’ny lanitra indray ity amin’ny Evanjely anio. Ny fitsarana farany no tena asongadiny. Satria mpanarato ny ankamaroan’ny jody tamin’izany dia io harato nanangona karazan-trondro io no nataon’i Jesoa. Raha ampiharina amin’ny fiainantsika izany dia azo lazaina hoe samy tonga ao am-piangonana daholo ny karazan’olona rehetra ; ny Fiangonana rahateo moa tsy mialon-jafy ary tsy misy fisavana na fanavahana miditra ao. Sitrak’Andriamanitra hovonjena ny olona rehetra. Fa tsy idiram-pentina kosa ny lanitra.

Eo indrindra àry, fa ho avy ilay fotoam-pitsarana. Misy karazan-trondro raran’ny lalàna taloha tsy azo hanina dia izay tsy misy vombony sy kirany (Lv 11, 9-12 ; Det 14,9-10). Ka raha mahazo an’ireo fady ireo eo am-panaratoana dia tsy maintsy alana tao. Izay fifantenana izay no ataon’i Jesoa ho ohatra amin’ny fitsarana farany. Tsy mandeha ho azy akory ny famonjena na samy tao am-piangonana aza. Tsy izay nanao hoe "Tompo, Tompo" no hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra, hoy Izy, fa izay nanao ny sitra-pon’ny Ray.

Ny tranainy sy vaovao nalaina tamin’ny fitoeran-drakitra hamaranan’i Jesoa ny fanoharana dia entiny ampianarana antsika fa ny fiainana kristianina tsy fisitahana amboletra miala amin’ny fomba hafa fa misy fomba sasany enti-manompo an’Andriamanitra marina. Saingy tsy maintsy manatombo amin’ny fomba fiaina ny fihavaozana nentin’i Jesoa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...