Ny fahavanonana dia manosika ny olona hanao zavatra tsara, milamina, mirindra mba hiteraka vokatra tsara. Ny fampandrosoana dia tsy feno ary mety tsy hisy mihitsy raha toa ka tsy eo ny "fahavanonana".  Ny fifankahalana, ny risoriso, ny tsy fifampitokisana dia sakafo ratsy omentsika ny fo ary taratry ny tsy fisian'ny fahavanonana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Tsy mamaha olana amin'ny fahefa-mividin'ny malagasy ny fampiakarana ny karama hoy ny Otrik'afo. Ampahan'olona vitsy mantsy no misitraka izany kanefa ny malagasy iray manontolo no miaina ny fisondrotry ny vidim-piainana... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny tolo-keviny ny kôperativa sy ny fikambanana mpamboly lavanila any Sava. Mitotongana hatrany ny fari-piainan'izy ireo tao anatin'ny telo taona izao... ♦ Hanohana ny ekipam-pirenena vehivavy ho an'ny Rugby lalaovin'ny olona fito manomboka izao ny fitondrana rehefa nahazo ny tapakila hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany atao atsy Afrika-atsimo... 

Tsy misy fahafahana tsy misy lalàna, raha tsy izany dia tsy fahafahana fa baranahiny. Ohatra ny fahafahana maneho hevitra na ny fahafahana mivavaka. Ny ao ambadiky ny  fahafahana dia ny safidy sy fahaiza-mandanjalanja. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alakamisy 5 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...