♦ Nitsipaka ny fikasàn'ny FFKM hitarika ny fifampidinihin'ireo mpisehatra politika, manoloana ny raharaham-pirenena ny fitondrana. Nanamafy izany fandavana izany ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Nihena ny isan'ny mpianatra eny amin'ireo sekoly miahy tena tamin'ity taom-pianarana vaovao ity, hoy ny Federasiôn'ny sekoly tsy miankina. Maro tamin'ireo ray aman-dreny no namindra ny zanany eny amin'ny sekolim-panjakàna, noho ny olana ara-bola... ♦ Samy hiatrika lalao amin'izao faran'ny herinandro izao ireo klioba misoloten antsika amin'ny fifaninana afrikàna isan-tarika eo amin'ny baoina kitra. Hanafika any Eswatini anio tolak'andro ny CFFA, handray an'i PWD de Bamenda eny Mahamasina kosa rahampitso ny ElgecoPlus...
♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika fanaovana kôpia hisitrahana kara-panondrom-pirenena faobe ny sendikàan'ny mpiraki-draharaham-pitsaràna. Nanao fanambaràna nilaza izany izy ireo, omaly... ♦ Hovatsian'ny Banky afrikàna momba ny fampandrosoana vola 1,4 tapitrisa dôlara ireo orinasa madinika sy salan-tsalany eto Madagasikara. Orinasa 300 isa no hisitraka izany anatin'ny tetik'asa SME-BLP... ♦ Hiara-hiasa amin'ireo orinasa manana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro, ka mihoatra amin'ny ilainy ny Jirama manomboka izao. Hovidian'ity orinasam-panjakàna ity izany, anatin'ny fampiharana ny tarif "optima Busness"...
17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.
Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny "lahy no lohan'ny vavy" ; tahaka an'i Kristy lohan'ny Eglizy. Izany no midika fa i Kristy no mitarika sy mitondra ny Eglizy amin'ny lalam-pahendrena sy fahamasinana lavorary, ary novelominy tamin'ny alalan'ny Sakramenta fito izay natsangany. Toy izany koa ny anjara toeran'ny lahilahy raim-pinakaviana ao an-tokantrano : Mitarika, mitondra, mamelona. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco